Tsy misy andro tsy ahenoana vono olona amin’ny tsatok’antsy sy tifi-basy ao Toamasina. Tao anatin’ny herinandro dia efa tranga telo sahady no niseho, dia ilay ramatoa mpampianatra 48 taona eo anivon’ny sekoly tsy miankina “Les Primeveres” sy ilay mpitondra posy ary ilay mpiasan’ny “Sharon Hotel”.
Raha ilay tranga voalohany dia niseho tao Bazary Kely manakaiky ny fiangonana Advantista. Ramatoa iray avy nivarotra akoho no nifanenjehan’ny jiolahy 2 mitondra basy PA. Nitsoaka izy ka voatery nitifitra ireto jiolahy ka ny fiondrehany kely fotsiny no tsy nahavoa azy nefa nivantana tamin’ity mpandalo avy nivavaka ny bala, izay niditra teo amin’ny tendany ka tsy nahatazona ny aina na nezahina notsaboina teo anivon’ny hopitaly be aza. Tsy nijanona teo ireto jiolahy fa nanenjika hatrany ilay ramatoa mpivarotra ary tsy nanakana azy ny fandosirany tao an-tokotanin’olona. Avy hatrany dia nokapain’izy ireo ny antsy lava ny tanany ka nampihintsana ny rantsany. Lasan’ireo jiolahy ihany ilay sakaosy nisy ny vola notsiriritin’ireo jiolahy. Ny tranga ny alatsinainy alina kosa dia niseho tao Tanamakoa.
Tovolahy handeha hiasa, nandeha an-tongotra toy ny fanaony isan’andro, avy any Valpinson no sendra jiolahy, ka voatsatok’antsy ny kibony ary lasan’ireo jiolahy ny zavatra teny aminy toy ny finday sy ny vola tany am-paosiny. Mpitondra posy nahita ilay tovolahy nihosin-dra sy niantso vonjy no nitondra azy teny amin’ny hopitaly be, nefa tsy avotra ny ainy noho ireo ra be very taminy sy ny taovany voan’ilay antsy. Ny 09 jolay koa dia efa nitrangana vono olona tamin’ny alalan’ny antsy tahaka izao teo amin’ity toerana ity, ka mpitondra posy indray teto no novonoin’ny olona nentiny. Tsy nisy vola afa-tsy 16.000 Ariary anefa tany amin’ity mpitondra posy ity tamin’ny fotoana nahafaty azy. Tsy milamina i Toamasina, mitaintain-dava ny vahoaka, tsy misy vahaolana ny raharaha, ny vavaky ny mponina ankehitriny dia ny hoe : “aza mba voany ihany”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.