Actualités

Tsaratanana Andohan’Ilakaka Vehivavy roa maty latsaka tao anaty vovo


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Tsy mety mihitsy ny manitsaka ireny vovon-drano ireny avy eo ambony indrindra fa raha efa tranainy ilay hazo natao sarony.

Vehivavy roa nanahy lamba teo amin’ny tady ambonin’ny vovon-drano omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany no latsaka tampoka tao anatiny ka namoy ny ainy. 17 taona sy 19 taona izy ireo izay samy monina ao amin'ny Fokontany Tsaratanana, Andohan’Ilakaka. Raha araka ny fantatra dia 30 metatra ny halalin’io vovon-drano io, ary efa tsy niasa nandritra 3 herinandro izy izao nihotsaka tampoka izao. Simba mantsy hono izy raha manampy trotraka izany ny rotsak'orana nifanesy. Ora roa latsaka taorian’ny zava-nitranga vao azo ny razana voalohany raha 30 minitra taty aoriana kosa ny razana faharoa. Tsy nisy azo natao tamin’izy mirahavavy ireto intsony moa ankoatra ny fikarakarana ny razana. Amin’ny zoma ho avy io avokoa no alevina izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanavotana azy mirahavavy omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT