Tsaralalana

> Mpamilina Karana saika niharan’ny fitsaram-bahoaka


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2013

Mpamilina Karana iray indray no saika niharan’ny hatezeram-bahoaka tetsy Tsaralalana ny sabotsy maraina teo.

Rangahy manodidina ny 40 taona mahery eo ho eo izy io, mitondra irony karazana môtô fitondrana entana avy aoriana irony. Raha araka ny filazan’ireo mpivarotra teny Tsaralalana dia handeha hanala entana hampidirina tao anaty magazain’ilay Karana mpampiasa azy io rangahy io. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no efa samy nanoko ny entany ireo mpivarotra amoron-dalana ka vehivavy bevohoka iray no nitsahiny tao ary tsy noraharahiany na dia naratra aza. Tezitra noho izany ireo mpivarotra ka samy nitroatra. Efa samy maimbo rà rahateo izy ireo noho ny tsy fahafahany mivarotra ara-dalàna sy noho ny tsy fisian’ny tsena ka tany amin’ilay rangahy avokoa no nanampatra. Ity farany koa teo an-danin’izay niavonavom-bava aoka izany. Nambarany fa manao ny asany izy fa ireo mpivarotra amoron-dalana no tokony hiala. Tsy nasiany maso ihany koa ilay vehivavy bevohoka naratra na dia nentin’ireo mpivarotra namany nanatona azy aza. Kely foana moa no tsy namonoan’ny mpivarotra teny Tsaralalana ity Rangahy ity. Ilay Karana sendra nivoaka no nampitsahatra ny ady nifanaovan’ny roa tonta izay efa naharitra 30 minitra teo ho eo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT