Actualités

Trozona maty tao Morindava Efa noraofina dia nalevina


  • Talata 09 Aogositra 2022

Tena sahirana ny vahoaka Malagasy. Izay hita ka azo hanina dia harapaka avokoa sitrany ahay. Nahitana taratra izany ilay nofona trozona efa maty tany Morondava.

 Mbola nisy mpanjono nahavita nala ny nofon’ilay trozona ihany mantsy mba havadika ho vola. Tao amin’ny sisin-dranomasin’i Morondava, atsimo andrefan’ny fokontany Avaradrova no nahitana io trozona io. Soa ihany anefa fa tonga ny mpitandro ny filaminana taorian’ny nampandrenesin’ny sefom-pokontany azy ka nahorona avy hatrany ilay trondro, tsy nisy azo nokasihina no sady tsy navela naparitaka teny an-tsena ihany koa. Nakisaka teny amin'ny sisin-dranomasina teny Kimony ny vatan'ilay trondro taorian’izany ary nalevina. Mbola nitohy ny fikarohana nataon’ny mpitandro ny filaminana teny an-tsena nandritra izany saingy tsy nisy henana trozona hita teny na kely aza.
Nangonin’i Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT