Ny malagasy indray izay tompon'ny harena no mividy lafo ny lamatra noho ireo vahiny, hoy ny mpanao politika, Rakotomalala Henry na Riribe.
Fa inona loatra no mahazo antsika malagasy fa ny vidin'ny trondro “lamatra” iray kilao eny an-tsena dia manodidina ny 12.000 Ariary, hoy izy. Ny vahiny mpamono an-dranomasina anefa mividy amintsika 220 Euros ny iray taonina, izany hoe 880 Ariary ny kilao. Santionany ihany io fa maro ny toe-java-misy mitovitovy amin'io eto. Samia mandinika isika hoe endri-pandrosoana ve izany sa endri-pihemorana, hoy hatrany ny tenany. Mampieritreritra marina a !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.