Actualités

Trip Advisor’s Traveller’s Choice Award 2013 laharana faha-10 i Nosy Be


  • Talata 16 Jolay 2013

Na dia miaina ao anatin’ny krizy politika, sosialy ary toekarena lavareny aza ny vahoaka malagasy dia misy ihany ireo sehatra izay mampihiratra an’i Madagasikara eo amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Iray amin’ireny ny tontolon’ny fizahantany.

 

Nivoaka tamin’ity fiandohan’ny enim-bolana faharoa ity tokoa mantsy ny filaharan’ireo Nosy ankafizin’ny mpitsidika maneran-tany. Fanadihadiana izay notontosain’ny «Trip Advisor’s Traveller’s Choice Award 2013». Toerana maha te ho tia 10 no notsongaina ka tafiditra eo amin’ny laharana faha-10 ny tanànan’i Nosy Be, araka ny safidy arahim-pahalalana nananan’ireo mpizahatany miisa 100 tapitrisa maneran-tany. Anisan’ny mahasarika ny mpitsidika ity Nosy ao amin’ny tapany avaratra andrefan’i Madagasikara ity ny natiora miavaka, ny ranomasina manga malefaka, ireo toerana mahavariana toy ny Nosy Tanikely sy ny Lokobe.

Ny nosy Ambergris Caye any Belize no be mpankafy indrindra. Raha ny zava-misy azo tsapain-tanana amin’ity taona 2013 ity aloha dia salama tanteraka ny sehatry ny fizahantany malagasy. Mbola vaovao tsara ho an’ny fizahantany eto amin’ny firenena ihany koa mantsy no nahafantarana fa anisan’ireo toerana maro mpisafidy manerana izao tontolo izao ary tafiditra ao anatin’ny laharana 10 voalohan’ny boky Lonely Planet i Madagasikara. Ny mpandraharaha malagasy ao anatin’io sehatra io rahateo izay tsy mikely soroka amin’ny fampahafantarana ireo mpitsidika ireo toerana maro mampiavaka ny Nosintsika.

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT