Hikatona avokoa manomboka anio zoma ireo ivon-toerana mandray raharaham-pitsarana eto an-drenivohitra
ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19. Lohalaharana amin’izany ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy izay mandray olona an-jatony isan’andro, ny fitsarana ambaratonga voalohany, ny fitsarana tampony, ny fitsarama momba ny kaonty. Asa fanadiovana no hotanterahina mandritra izany hahafahana mamono ny otrik’aretina. Hisy araka izany ny fanondrahana ranom-panafody ao anatin’ny birao rehetra ho fiarovana ny mpiasa sy ireo mpila raharaha rehetra eny anivon’ireny ivon-toerana ireny. Amin’ny Alatsinainy ho avy izao vao hisokatra ireo ivon-toerana voalaza etsy ambony ireo araka izany ka ho an’izay manan-draharaha tokony handeha anio zoma sy rahampitso Sabotsy dia namehotra amin’ny herinandro izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.