Trésor Toamasina

> 2 miliara voahodinkodina, mpitsara no atidoha ?


  • Zoma 27 Septambra 2013

Nitrangana fanodinkodinam-bola tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana (Trésor) Toamasina. Araka ny angom-baovao dia mitentina roa arivo tapitrisa Ariary ny vola lasibatra, ka tamin’ny alalan’ny taratasim-bola manokan’ny Trésor ihany no namoahana azy.

Tonga teny amin’ny fitsarana ny raharaha. Miisa telo hatreto ireo olona notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny nitondrana ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana sy mpitsara zokiolona mpanao famotoran’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Raha ny angom-baovao anefa dia mpitsara no voalaza fa atidoha tamin’ity raharaha ity. Tsara fiarovana amin’ny andraikiny anefa izy ka afa-maina. Raha ny angom-baovao hatrany dia taratasim-bolan’ny Trésor tsy mbola misy sora-bola saingy vita sonia sy fitomboka ara-dalàna no voarain’ity mpitsara ity. Amin’ny maha vola be ny havoaka anefa dia mila kaontin’orinasa na mpandraharaha manana petra-bola be mba hampidirana ilay taratasim-bola, avy eo dia ifampizarana ny vola rehefa tafavoaka. Teo no nahavoarohirohy ireo olona telo nidoboka any am-ponja ankehitriny. Mbola tao anatin’ny angom-baovao ihany no nahalalana fa novaina hatramin’ny fitanana an-tsoratry ny mpanao fanadihadiana mihitsy mba tsy hahavoasaringotra ilay mpitsara sy mpiasan’ny Trésor iray amin’ity raharaha ity, ka ireo olona telo ireo no nizaka ny vokany rehetra. Fanindroany izao no nisy famoaham-bola hafahafa nitranga tao amin’ity Trésor Toamasina ity izay samy mahavoatontontonona ity mpitsara ity sy ilay mpiasan’ny Trésor. Vola nitentina telo arivo tapitrisa Ariary no lasibatr’izy ireo tamin’ny voalohany, izay tsy nisy tohiny nandritra ny volana maro, dia ity roa arivo tapitrisa Ariary ity indray.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT