Actualités

TRANSPARENCY INTERNATIONAL Fa inona marina moa izy io sy ny antom-pisiany ?


  • Zoma 25 Novambra 2022

Efa heno sy re foana hatramin’izay, saingy vao mainka niha nalaza sy voaresaka eny amin’ny sehatry ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera ny Transparency International noho ny raharaha fitoriana nataony sy ny

fitoriana ireo mpitarika ho an’ny eto Madagasikara. Fa inona tokoa moa ny Transparency International (TI). Rafitra na fikambanana iraisam-pirenena iray tsy miankina amin’ny faanjakana izy io, ary avy any Allemagne no niandohany. Tanjona sy iraka lehibe iantsorohany ny ady amin’ny kolikoly ataon’ireo governemanta sy rafi-panjakana maneran-tany. Tany amin’ny taona 1993 no namoronan’ilay teratany Alema Peter Eigen azy ary efa misandrahaka maneran-tany izy ankehitriny, manana rafitra mizaka tena mielim-patrana amina firenena miisa 110. Izy no mandahatra sy mijery ny filaharana amin’ny ady amin’ny kolikoly, ary tsy mikoso-maso eo anatrehan’ny fahalovana misy, eny fa na any amin’ny firenena matanjaka tahaka ny ao anatin’ny Vondrona Eoropeanina aza. Fantatra amin’ny famoahana ny filaharana samihafa mikasika ny ady amin’ny kolikoly izy, ny filaharan’ireo firenena, ny tondro momba ny kolikoly isaky ny firenena, ny fanarahan-dalàna eo amin’ny fifanakalozana iraisam-pirenena,… Mipetraka ho mpanara-maso ny fiasa mandala ny demokrasia amin’ireo rafi-panjakana nasionaly, ary mitondra ny heviny sy ny fijeriny manoloana ny asa sy ny fihetsiky ny governemanta ny Transparency International. Heverina ho manampy sy miaro ny vahoaka eo anatrehan’ny fitantanana mibirioka misy ao anatin’ny firenena iray noho izany izy io raha raisina amin’izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT