Nampiaka-peo tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely ireo very asa hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.
“Misaona ny tontolon’ny asa malagasy amin’izao 1 mey izao”, hoy Rtoa Rasoanirainy Malalatiana, iray tamin’ireo nitarika ny hetsika nataon’ny very asa, ny mpiasa ary ny sendikan’ny Tolon’ny Mpiasa (TM). “Misaona satria ana hetsiny ireo very asa noho ny fandorana orinasa maromaro nataon’ny tsy mataho-tody tamin’ny alatsinainy mainty 26 janoary 2009. Misaona satria ana hetsiny hafa koa no voatery nanatevin-daharana ireo mpivarotra amoron-dalana manao fangala-piery lava amin’ny Kaominina na voatery nivaro-tena tsy fidiny, na lasa 4-mi vaovao mpatory anaty trano solefanina na koa nanatevin-daharana ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanaovana asa ratsy tamin’ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba noho ny fahatapahan’ny AGOA.
Misaona ihany koa fa mbola mitohy tsy an-kijanona ny fandefasana “chômage technique” ireo mpiasa mbola mba tafajanona amin’ny asany ankehitriny. Misaona ihany koa satria voalatsan’ny kobaka am-bava fampiakarana ny karama hatrany amin’ny 25% nefa ny asa hampakarana izany aza tsy misy”. Tsy ireo mpitarika ity hetsika ity ihany no nitanisa ireo trangan-javatra rehetra ireo fa nijoroan’ny olon-tsotra maro nandray fitenenana vavolombelona koa izany. “Hitohy ny dinidinika natao”, hoy ireo mpikarakara satria efa nifampaka fifandraisana ny rehetra ka hifampiantso tsy ho ela ary tsy hijanona izany mandra-pivahan’ny krizy sy fiverenan’ny ara-dalàna ary fiverenan’ireo very asa amin’ny asany avy. Nomarihan’ireo mpitarika tetsy Analakely fa tany amin’ny kianja mitafon’i Besarety no toerana nahazoana alalana hanaovana ity hetsika ity saingy narirarira tamin’ny farany ry zareo ary nifanenjehan’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny marainan’ny omaly io vao nahazo ny Tranompokonolona Analakely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.