Actualités

Tranompirintim-pirenena Potehin’ny fanjakana ?


  • Sabotsy 04 Jona 2016

Mbola ananan’ny tranompirintim-pirenena trosa be ny fitondram-panjakana hatramin’izao.

 

Nanomboka ny taona 2006 no nisian’izany. Tafiditra ao avokoa na ny faritra na ny kaominina, hoy ny taleny Randriamboavonjy Jean Angelson tamin’ny mpanao gazety omaly. Ny mahavariana anefa dia nalana taminay avokoa ireo karazan’asa tokony hataonay, toy ny fanamboarana carte grise, ny kara-panondrom-pirenena. Mbola iadianay mafy koa ny hamerenana ny fanamboarana passeport ato aminay. Amin’ny ankapobeny dia ny tranom-pirintim-pirenena izay sahaniko no manana milina raitra sy tsara indrindra eto amintsika ary mahavita ny asa rehetra,hoy izy. Manana vola hahafahana mividy fitaovana milina hafa ihany koa izahay saingy tsy hataonay izany raha tsy misy asa tonga eto am-pelatananay. Mikasika ilay fahamaizana nitranga tao an-toerana ny alin’ny talata lasa teo moa dia ny valin’ny fanadihadiana hataon’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena misahana ny fikarohana amin’ny ady heloka bevava no hamaritra izay antony nahatonga izany, na dia  betsaka ny tsaho sy ny feo mandeha. Tsy misy marina izay tsy hiseho, hoy hatrany Randriamboavonjy Jean Angelson. Tsiahivina moa fa fitaovana fanamboarana kara-panondrono tao amina birao iray no may tamin’izany.Manomboka mampiahiahy ny maro ity raharaha ity satria tahaka ny misy ambadika hafahafa izany mba hanalefahana ny tanjaky ny tranompirintim-pirenena, ka rehefa potika sy tsy mahavita asa tsara intsony dia ho vidian’ny tsy miankina mora.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT