Miteraka resabe ny famefena ny ao anatin’ny faritry ny Tranombokim-pirenena sy ny fandrodanana ilay fotodrafitrasa natokana ho «Faribolan’ny Mpanakanto» izay natsangana tamin’ny fitantanan’ny minisitry ny Kolontsaina Rakotomalala Mireille.
Nandritra ny fitondrana tetezamita dia nisy ihany koa ny fampanantenana nataon’ny minisitra am-perinasa Ravelomanantsoa Elia nandritra ny fivoriamben’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka malagasy ny amin’ny hananganana ny Tranoben’ny Kolontsaina miampy Tranombakoka ho an’ny dihy sy mozika na «Conservatoire» eo amin’ny tokotany malalaka Ampefiloha. Tamin’ny fankalazana ny «Herinandron’ny Kolontsaina» notanterahana ny volana mey 2013 no nampisehoana tamin’ny besinimaro ny kisarin’ireo fotodrafitrasa roa goavana ireo saingy tsy tanteraka izany mandrak’androany. Raha ny fanazavan’ny minisitra Ravelomanantsoa Elia tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray omaly hariva dia nomen’ny fanjakana hanitaran’ny Carlton ny fotodrafitrasany ny tany mirefy 44 ara ao anatin’ny faritry ny Tranombokim-pirenena, ary misy didim-panjakana mamaritra izany efa tamin’ny 2006. Notsiahiviny fa misy petrabolan’ny fanjakana 49% ao amin’ny Carlton. Hisy trano lehibe haorina amin’io faritra io, trano izay homanina handraisana ny fivoriamben’ny Comesa sy SADC hatao eto Madagasikara amin’ny taona 2016. Na izany aza dia mitaraina sy malahelo amin’izao zava-misy ao an-toerana izao ireo mpiasan’ny Tranombokim-pirenena. Manampy trotraka izany ny fahasimbana mahazo ireo fotodrafitrasa efa mitsangana toy ny Ivontoeram-pirenena fampianarana mozika sy dihy izay tsy misy fanamboarana. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa nandritra ny Repoblika faharoa tamin’ny taona 1980 no niorina ny Tranombokim-pirenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.