Actualités

Trano Mora Misokatra anio ny fandraisana dosie


  • Alakamisy 08 Septambra 2011

Ho vita afaka andro vitsy ny andiany voalohany amin’ireo trano mora etsy amin’ny tanàna filamatra Anosiala Ambohidratrimo.

 Trano 260 isa no anjaran’Antananarivo amin’ity tetikasa ity ka ny 60 no ho vonona afaka fotoana fohy. Araka izany dia efa mandray manomboka anio 8 septambra ny antontan-taratasy ho an’ireo tanora latsaky ny 35 taona monina eto Antananarivo sy ny manodidina ka mahafeno ny fepetra ary maniry hahazo anjara amin’izany ny ministeran’ny fanajariana ny tany. Ny 20 septambra ka hatramin’ny 20 oktobra kosa no hametrahana ny antontan-taratasy fangatahana eny anivon’ny sampandraharaham-paritry ny fananantany ho an’ireo renivohi-paritany dimy hafa miampy an’Antsirabe. Trano 100 isa no haorina any Antsiranana ka ny 6%-n’ny asa no vita raha hanomboka afaka herinandro kosa ny asa fanorenana any Toamasina sy sy Fianarantsoa. Ho an’i Mahajanga manokana izay niteraka savorovoro teo amin’ireo mponina nafindra toerana sy ny Faritra Boeny ity tetikasa Trano mora ity dia mbola mijanona ho baraingo ny tohiny.

Raha tsy mahita fifandaminana mantsy ireo vahoaka ireo sy ny mpitondra any an-toerana dia tsy hanomboka mihitsy ny asa, araka ny nambaran’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana, Hajo Andrianainarivelo. Araka ny vinavina napetraky ny teknisianina dia trano 800 amin’ny 10.000 ezahana vitaina ao anatin’ny dimy taona no hitsangana amin’ny volana novambra izao. Misy karazany efatra ireo karazana trano izay manana efitra telo na efatra. Ilay tetikasa filamatra eny amin’ny “Tanàna fitiavana’ ihany no misy ilay vidiny 12 tapitrisa ariary fa saika 15 tapitrisa ka hatramin’ny 30 tapitrisa ariary araka ny haben’ilay trano sy ny tokotaniny avokoa ny any amin’ny Faritra. Ao anatin’ny enina ka hatramin’ny valo taona no andoavan’ireo tsara vintana ny vidin’ny tranony amin’ity tetikasa ity ka araka ny habetsaky ny karama no amaritan’ny ministera sy ny banky izay vola alaina amin’ny karamany isam-bolana. Marihina fa amin’ny alalan’ny antsapaka no hisarihana izay hahazo amin’ny Trano mora satria be dia be ireo mahafeno ny fepetra hametraka fangatahana.

 

Yves

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT