Fivarotana hanimasaka na “Gargotte” miisa enina teo akaikin’ny Gare Manguier sy trano fonenana sy fivarotana teny akaikin’ny Gare Manangareza samy ao Toamasina, no indray narodana omaly ny alatsinainy 25 jolay maraina, rehefa samy nahazo fampilazana tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana iraisan’ny ministera, dia ny fanajariana ny tany sy ny fitaterana, ireo voakasika ny sabotsy hariva teo.
Hatairana ny an’ny rehetra nahita ity trangan-javatra ity. Tsy misy hatak’andro mantsy ny fialana raha ny votoatin’ilay didim-pitondrana laharana 21-124/2011, tamin’ny 8 jolay, teny am-pelatanan’ny vaditany nanatanteraka ny didy. Ho an’ireo “Gargotte” teo akaikin’ny Gare Manguier manokana, dia efa 15 taona no naha teo amin’io toerana io ireo mpivarotra, araka ny fanadihadiana natao ary efa nisy ny fifanolanana tamin’ny Madarail niakarana raharaha tamin’ny tribonaly momba ity toerana antsoina hoe «Tillye 2» ity ny taona 2008 sy 2009 ka nahazoan’ireo mpivarotra ny rariny tamin’ny fampiakarana nataon’izy ireo teny anivon’ny fitsarana ambony. Etsy ankilany, araka ny voalazan’ireto mpivarotra ihany dia nahazo alalana feno tamin’ny Kaominina izy ireo tamin’ny fivarotana tamin’io toerana io.
Ho an’ilay trano fonenana misy fianakaviana roa sady fivarotana tao Dépôt Anjoma, manakaiky ny Gare Manangareza kosa indray, dia fandravana avy hatrany toy izay koa no natao, raha nanao fampilazana am-bava tamin’ny tompontrano ny vaditany ny sabotsy hariva teo ihany koa. Ho azy ireo indray, araka ny voalaza dia «sans droit, sans papier, ni titre» no anton’izao fanesorana izao. Nanizingizina anefa ny voakasika, fa efa 40 taona izy ireo no teo ary nanambara ihany koa fa vita “titre” sy baorina ity toerana ity. Somary nahagaga ny maro ihany ny tsy nisian’ny didy avy amin’ny fitsarana akory momba ireto fandravana ireto.
Fanja Aina
Sary : Fandravana trano tao Toamasina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.