Araka ny loaharanom-baovao dia misy Karana iray mpanefoaefo ary akaikin’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana manorina trano goavana eto Antananarivo ary tena mampiteny ny moana ny tetimbidin’io trano io, ary orinasa vahiny goavana manana ny maha izy azy mihitsy fa tsy orinasa mpanao trano tsotsotra no manao ny asa rehetra amin’izany.
Araka io loharanom-baovao io dia mitentina 2 tapitrisa dôlara, na 4 miliara ariary eo ho eo ny tetimbidin’io trano io, izay tena raitra dia raitra io. Araka ny fantatra dia mitovy amin’ireo Villa any Beverly Hills Californie Etazonia, an’ireo mpanefoefo sy olo-malaza amin’ny tontolon’ny sarimihetsika any Hollywood izany. Azo ambara fa io no tranon’olon-tsotra anisan’ny lafo indrindra naorina eto Madagasikara hatramin’izao. Tamin’ny taona 2010 no natomboka ny asa, araka ny fantatra, ary raha tsy misy ny fiovana dia ho vita ato anatin’ny volana vitsivitsy izany. Anisan’ireo fianakaviana Karana matanjaka ara-pihariana eto Madagasikara no tompon’io trano io, ary nety dia nety, araka ny fomba fiteny, ny bizina nataon’izy ireo hatramin’ny nirodanan’ny fitondrana Ravalomanana ka nisian’ny tetezamita teto.
Tsy dia misehoseho anefa na dia izany aza izy ireo, tahaka ny mpandraharaha karana rehetra fa miasa mangina any ambadimbadika any ary miezaka hatrany ny mampitombo ny harenany sy ny fahefany eto amintsika. Tsara homarihina fa araka ny fanadihadiana farany tamin’ny 2006 dia mifehy ny 6 ka hatramin’ny 10%-n’ny toekaren’i Madagasikara ny Karana, izay nisy efa 100 taona mahery no nipetraka teto ary tsy mitsahatry ny miketrika mba hahamafy orina hatrany ny fandraharahan’izy ireo. Mahay mifanampy sy mifamonjy fa tsy mifamingana tahaka ny Malagasy ny Karana eto amintsika ary efa tena malaza amin’ny fakana namana olona ambony mba hiaro ny «fihariana» ataon’izy ireo. Araka ny fantatra ihany koa dia manomboka miditra tsikelikely amin’ny fivarotana fanafody sy fanokafana farmasia indray izao ny Karana satria manomboka mandeha sy be mpitady eto amintsika ireo antsoina hoe «médicaments génériques» izay vokarina any India ny ankamaroany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.