Actualités

Trangana asa ratsy nandritra ny fety Olona 164 no nosamborina nanerana ny Nosy


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Nahazo vahana ireo karazana asa ratsy rehetra nanerana ny Nosy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao farany teo.

 Anisan’ireny ny halatra miaro herisetra niaraka tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy. Iray io tranga io. Halatra miaro herisetra niaraka tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana toy ny antsy kosa ny 06 raha halatra miharo vaky trano ny 10. Nahatratra 11 isa kosa ireo trangana fanendahana, Miisa 17 ny halatra tsotra, iray ny halatra moto raha fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ny 04 . Miisa 92 kosa ireo reo olona nampiahiahy nosavaina raha miisa 4 mamo ankalamanjana. 21 ireo saika hangalatr, 03 ny razana hita.
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA 20
Miisa 20 kosa ireo lozam-pifamoivoizana nitranga ka miisa 11 ireo naharatrana olona raha miisa 17 kosa ireo naratra vokatr’izany. Miisa 06 indray ireo loza nahafatesan’olona ka ny 01 no namoy ny ain’olona tamin’izany. Miisa 03 kosa ireo loza nahasimbana fananan’olona. Mikasika ireo fitaovam-piadiana tratran’ny Polisim-pirenena tamin’ny taona 2021 dia miisa 143 izany tamin’io taona voalaza etsy ambony io raha 43 tamin’ny taona 2022. Nahatratra 1 344,5 Kg ny cannabis tratra tamin’ny taona 2021, 10 grama ny cocaïne,109 grama ny heroine, 1,8 g ny métamphétamine. Nitombobe izany tamin’ny taona 2022 lasa teo ka nahatratra 448,506 Kg ny cannabis sarona, 88,6 g ny cocaine, 129,62 g ny heroine, 4,4 g ny métamphétamine.Miisa 3023 moa ireo mpitandro ny filaminana nahetsika manerana ny Nosy nandritra ireo 2 andro ireo.
Pati
Legende : Maro ireo olona nanao ratsy fotsiny nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao teo.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT