Actualités

Trangam-piarahamonina Parlemantera nanodinkodina zaza tsy ampy taona


  • Zoma 29 Aprily 2011


Mahoraka eran’ny tanàna ity afera ity. Efa mpamerin-keloka rahateo no nahavanon-doza, araka ny loharanom-baovao. Zazavavy vao 15 taona monja no lasibatra, izay mbola mpianatra amin’ny sekolim-panjakana. Roa andro tsy nody an-tranon-dray aman-dreniny rakalakely io tamin’ny herinandro masina ankatoky ny Paska teo. Rehefa natao ny fikarohana dia fantatry ny ray aman-dreniny fa Parlemantera amin’izao fitondrana izao, avy amin’ny faritra Sofia iny no nitana azy.

Milaza ny tsy hamela ho vita mora izao raharaha izao ny ray aman-drenin-drakalakely. Nihazo an’Antananarivo ny marainan’ny Talata rahateo ilay nanodinkodina zaza tsy ampy taona ka velon-taraina sy tezitra mafy ny rain’ilay zaza. Araka ny fantatra dia nanao tatitra sy fitarainana isan’ambaratonga ireto farany, ary milaza fa tsy hanaiky raharaham-pihavanana.

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT