Asa na noho ny fahasahiranana na efa maty eritreritra raolombelona fa dia vitan’ity renim-paianakaviana iray ny saika hamono hahafaty ny zanany naterany.
Tao Mahazoarivo Avaratra, Antsirabe no niseho ny tantara ny alarobia 21 aogositra teo. Raha ny resaky ny manodidina dia karazan’itony mpampanofa tena itony ilay ramatoa, izy rahateo tsy manambady. Ankoatra izany dia manana fahasembanana, ireny tsy mety mitombo ireny ireo zanany roa nokasainy hovonoina ireto, izay 17 taona ny iray ary 7 taona ny faharoa. Ny fanazavan’ny mponina ihany no nahafantarana fa zaza iray, iray tampo amin’ireo sembana ireo, no nampandre ny manodidina fa hidian’ny reniny ho fatin’ny hanoanana ao an-trano ireo zaza sembana roa fa izy telo mianadahy salama tsara nasainy nangataka sakafo tamin’ny manodidina ary izy lasa mirenireny any. Taitra ireo manodidina ka nitsoka kiririoka namory ny Fokonolona dia nopitsohina ilay trano ka tao tokoa ireo zaza sembana roa. Nantsoina ny mpitandro filaminana sy ny tao amin’ny hopitaly ka dia nalefa any aloha hatreto ireo ankizy sembana ireo. Nokarohin’ny mpitandro filaminana moa ilay renim-pianakaviana. Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha ka dia ho hita eo ny tohiny. Ireo ankizy telo hafa zanany kosa dia voalaza fa noraisin’ny fianakaviany aloha hatreto.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.