Trangam-piarahamonina

> Raim-pianakaviana nifototra tamin’ireo zanany 4 tsy ampy taona


  • Alarobia 07 Aogositra 2013

Trangan-javatra nampihorin-koditra ny nanatri-maso sy ireo izay notantaraina nivantana no niseho teny amin’ny Fokontanin’Ambohimiadana Ambohipamonjy Ampitatafika.

Raim-pianakaviana iray 50 taona manan-janaka 10 ary efa 19 taona nivadiana tamin’ny vady mariaziny no voaporofo, araka ny fitantaran’ireo niharam-boina, fa nanolana ireo zanany vavy efa-bavy farany mbola miara-mipetraka amin’izy mivady sy ny zanany vavimatoa. Simba tanteraka ireto zazavavy kely vao 4 taona sy kambana 7 taona ary 11 taona vao afaka CEPE teo ireto rehefa nentina teny amin’ny hopitaly Befelatanana natao fizaham-pahasalamana. Ankoatra ny herisetra ara-nofo nataon’ity rangahy ity dia simban’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ireo zaza. Ilay ramatoa vadiny moa dia efa nilaza ho tsy nety nanao firaisana ara-nofo tamin-drangahy intsony noho io aretina mahazo ity farany io.

Vao naheno ny fitarainan’ity renim-pianakaviana narahin-dranomaso sy ireto zaza tsy manan-tsiny ny HAFARI Malagasy dia nandray andraikitra nanampy ny polisim-pirenena ao Mahamasina nisambotra ity raim-pianakaviana nifototra tamin-janany naterany ka voasambotra tao an-toeram-piasany teny Anosibe Angarangarana ny lehilahy ary natolotra avy hatrany ny polisy misahana ny zaza tsy ampy eny amin’ny BC Anosy. Notantana vonjimaika eny izy mandra-piakarany eo anivon’ny fampanoavana. Ankoatra ilay renim-pianakaviana izay sady hitory ity vadiny ity no hangataka fisaraham-panambadiana koa dia nirotsaka ho mpitory ihany koa ny HAFARI Malagasy tarihan-dRafanomezantsoa Jean Nirina.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT