Trangam-piarahamonina

> Nanolan’ilay raim-pianakaviana ny zanany sy ny zana-badiny


  • Sabotsy 17 Aogositra 2013

Zavatra mamohehatra sy tsy fampiseho masoandro no nataon’ny raim-pianakaviana iray monina ao Ampasambazimba - Ambatondrazaka.

Ny zanany vavy naterany fito taona sy zana-badiny sivy taona no naolan-drangahy nanatanterahany ny filan-dratsiny. Olona tia manaraka sarimihetsika vetaveta ilay rangahy ka tsy fantatra raha vokatr’izay fijereny sarimihetsika izay no nahatonga azy ho nanana filàn-dratsy ka  nanaotao foana toy izao. Tsy sahy nitory ilay raim-pianakaviana amin’ity toetra mamoafady nataon’ny vady andefimandriny fa hoe : tsy misy mamelona intsony izy ireo raha migadra ilay rangahy. Ny mpanabe mifanila vodirindrina tamin’izy ireo no nandray ny andraikiny nampandre ny tao amin’ny sampandraharahan’ny mponina tao Ambatondrazaka ka itsy farany no nitory ilay raim-pianakaviana teny amin’ny fitsarana. Efa nidoboka vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka io raim-pianakaviana io miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT