Actualités

Trangam-piainana Zazavavy kely 3 taona nisy nanary tao anaty taxibe


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Tena sarotra ny fiainana. Mahavita manaotao foana mihitsy Ramalagasy vokatr’izany eny fa na dia ho an’ireo Reny niteraka nitondra folo volana an-kibo aza.

Zazavavy kely iray manodidina ny 3 taona indray omaly no fantatra fa nisy nanary tao anaty taxibe-n’i Mahitsy. Taxibe niainga tetsy Vassacos niazo an’i Mahitsy no nisy azy io. Rehefa tonga tany amin’ny tobim-piantsonana farany anefa dia tsy nisy nitondra toy ny zanak’olona rehetra ilay tsy manan-tsiny hany ka nipitrapitra kely fotsiny no sady nitomany. Izany anarana haingo izany no niverimberina tao am-bavany, anarana izay tsy fantatra na anaran-dReniny na anaran’ilay olona mety ho nitondra azy ka nanary azy. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : tena nariana marina ve ity zazavavy kely ity sa adinon-dReniny na izay olona nitondra azy. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy tokony hisy Reny hanadino zanaka izany na olona nitokisana nampitodraina zaza ka hanary izany eny an-dalana. Napetraka ao amin’ny zandarimariam-pirenena ao Mahitsy moa ity zazavavy kely ity mandrapahitan’izay fianakaviany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT