Lehilahy iray, 58 taona, mpampianatra am-perinasa ao amin’ny CEG Mandabe, any
amin’ny faritra Menabe no namono tena rehefa avy namono nahafaty ny vadiny ny alin’ny alahady teo, raha ny fampitam-baovao. Naharay antso fanairana ny zandary ao amin’ny tobim-paritra any an-toerana tokony ho tamin’ny 8 ora alina noho ity toe-javatra ity. Nandray andraikitra ary nidina ifotony avy hatrany ny zandary dimy notarihan’ny Lehiben’ny Borigady. Nilaza i Rodia, vavimatoan’ireto olona namoy ny ainy ireto, fa mamo ny rainy ka nila ady sy nanakorontana ny tao an-tokantrano. Nandrahona ny hamono ny vadiny hatrany ilay rangahy, kanjo tena notifiriny tokoa. Segondra vitsy monja taorian’izay dia lasa nankao amin’ny tranon’izy ireo, iray hafa teo akaiky ihany, io raim-pianakaviana io, ka nitifi-tena teo amin’ny kibony. Samy maty tsy tra-drano, na ilay vadiny na izy. Nahitàna vodim-bala roa sy bala roa tsy mbola nipoaka teo amin’ireo trano. Nogiazan’ny zandarimaria ilay basy marika Baykal. Hitohy ny fanadihadiana aorian’ny fandevenana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.