Tovolahy iray vao 18 taona monja no maty noho ny famonoana biby teny Ankaditoho Marohoho.Niaraka tamin'ny namany ity tovolahy ity nandritra izany.
Nahita bibin-javatra teo akaikin'ny toerana filalaovan-dry ry zareo baolina izy roalahy nandritra izany ka nalain'ilay namany iray ilay biby dia natsipiny tany amin'ity tovolahy namoy ny ainy ity ary nodakany izany. Natsipin'ilay namany tany anaty rano ilay biby avy eo. Tonga tany an-trano ity tovolahy ity dia gaga ny tao an-trano fa narary ny tongony ary avy eo sitrana ka narary koa ny havanana dia sitrana indray . Niakatra tany amin'ny kibo izany avy eo, ka sitrana indray ilay kibony. Narary indray ny tanany…. Nankany amin'ilay toerana niavian’ny loza ny fianakaviana taorian’izany mba hifampiraharaha amin'ny tompon'ilay toerana. Tsy niteny izay tokony hatao anefa ireto farany.Niezaka nitsabo sy nitady izay tokony hatao anefa ny fianakaviany taorian’izany saingy tana intsony ny ainy. Tamin'ny 02 Septambra lasa teo ihany koa anefa nisy nivalan-drano teo amin'ilay toerana izay niavian'ilay loza araka ny fitantaran'ity olona akaiky ny fianakaviany ka maty avy hatrany ilay olona izay naman'ity tovolahy ity ihany. Talohan'izay nahafatesan’ity tovolahy ity moa dia nanao krizibe foana izy ary nijaly.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.