Tranga hafahafa

> Vehivavy mafana tratra, maty avokoa ny vadiny fito


  • Alakamisy 17 Oktobra 2013

Trangam-piarahamonina sarotra inoana no iainan’i L.J. Voalazan’ity renim-pianakaviana bikana sy tsara tarehy 30 taona eo ity, fa maty tamin’ny fomba hafahafa avokoa ireo vadiny fito niaraka taminy, ka ny telo amin’ireo no niterahany.

Na ny fiarahamonina manodidina azy na ny fianakaviany dia samy manilika an’ity ramatoa mananontena tsy fidiny ity, izay mivarilavo tanteraka amin’ny toaka ankehitriny. Ny mpiara-monina sasany milaza fa manjaka ao amin’ilay vehivavy ny herin’ny maizina sy satana. Ny hafa kosa mitantara fa mafana tratra ity ramatoa ity ka izay mikasa hanambady azy dia matahotra avokoa, na dia te hanana tokantrano sy taranaka toy ny vehivavy rehetra izy. Ny akaiky azy indray nanambara fa ozona nisy teo amin’ny fianakaviany avy tany aloha tany no nahatonga izany, ka nifatratra taminy, noho ny fitiavana sy filalaovana ody mahery. Tonga hatrany amin’ny hoe : «mifatratra any aminy ny ran’olona natao sorona fahiny satria malemy vintana izy». Telo tamin’ny fianakaviany ihany koa no maty tampoka tamin’ny fomba sarotra takarin’ny saina ary misy ny mbola mitaraina hatramin’izao fa kendain-javatra toy ny aloka mainty be isak’alina, na dia mirehitra izao aza ny jiro.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT