Ny taona 2010 no namolavolana ny vina mitondra ny lohateny hoe “Madagascar le changement”. Mpikamban’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita miisa 135 amin’ireo 150,
roa taona taorian’izay no nanasonia ny fanekena azy ho tolo-dalàna ho dinihina eny anivon’ny antenimiera. Mbola tsy notanterahana anefa izany, hoy omaly ny isan’ireo mpamolavola azy io dia ny isan’ireo CST tamin’izany, Joseph Yoland. Fotoana tokony hanovana ny rafi-pitantanana eto Madagasikara izao, hoy ny tenany. Tsy olona, hoy izy, no mila ovana fa rafitra mihitsy raha tiana ny haha tafavoaka an’i Madagasikara. Betsaka ny manam-pahaizana tamin’izahay nanao io boky io fa tsy naharaka hanapariahana azy ny vola. Tsy mitombona na hoe “impossible” ny hampandroso an’ity firenena ity raha ny lalàna misy eto amin’izao fotoana no jerena. Iza ohatra amin’izao no manao ny trafikana volamena eto? Ny mpitondra mifandimby eo no manao an’io. Tsy maintsy ovana, noho izany, hoy hatrany ny tenany, ny fehezan-dalana mikasika izany.
J. Mirija
Legende: 300 pejy eo toy ny IEM koa ity boky ity
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.