Actualités

Trafikana volamena 73,5kg Mpiasan’ny fadin-tseranana iray naiditra am-ponja


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Niampy iray ny olona nadoboka am-ponja vonjimaika ny alatsinainy teo noho ny

 

 

 

raharaha trafikana volamena 73,5kg, raha ny loharanom-baovao azo. Mpiasan’ny ladoany izy io, ary nampiakatra ny isan’ny olona nidoboka am-ponja vonjimaika ho 14 hatreto. Marihina fa niantso ny hanenjehana ny tena trondro Sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana (SEMPIDOU) ny 17 febroary teo, saingy azo ambara ho tsy mbola izany io naiditra am-ponja io. Toa nangingina tanteraka io raharaha io amin’izao fotoana izao, ka na ny fitondram-panjakana aza tsy namoaka fampitam-baovao firy intsony. Ny teo anivon’ny PAC (Pôles Anti-Corruption) dia efa ny 12 janoary no nisy fanazavana ofisialy farany. Ny 19 febroary lasa teo no nisiana fitsarana tany Afrika Atsimo, saingy tsy tena re ny akony. Toa tsy nisy fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana. Amin’ny 3 martsa izao no re fa hivoaka ny didy, ka dia miandry izany indray izany ny rehetra. “Tsy hita izay marina momba ny volamena 73,5 kg, ary ny mpitondra aza nifanipaka ny nambarany”, hoy Atoa Charles Hilaire Solohery Komity Foiben’ny MFM omaly. Nambarany fa ny taona 2010, nisy volamena tratra ohatran’io ihany koa tany Kaomoro. Nandeha tany ny Minisitry ny fitsarana Malagasy nagataka fampodiana. Nilaza ny Fitondrana Kaomorianina hoe izahay tsy hamerina an’ireo olona izay nisy Malagasy miisa 2 sy ny volamena. Navotsotra ilay Britanika, ary tafody teto ihany ireo roalahy, izay zanak’olona ambony tamin’ny tetezamita ny iray, saingy tsy nisy fanenjehana, hoy izy. Efa nisy ihany koa ny ampamoaka nataon’Atoa Tabera Randriamantsoa mikasika ny fandavana ny fametrahana tahirim-bolamena tamin’ny tetezamita sy ny fitoriana natao tamina fianakaviana akiaky ny Filohan’ny tetezamita noho ahiahina volamena 60 kg isan-kerinandro mivoaka. Asa izay hiafaran’ity raharaha 73,5 kg ity na mba hisy tohiny na ho vitavita foana hatrany toy ny teo aloha ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT