Actualités

Trafikana volamena 73,5kg Afaka vonjimaika ireo 3 lahy any Afrika Atsimo


  • Talata 16 Martsa 2021

Nahazo fahafana vonjimaika ambany onitra na “liberté sous quotient” ireo telolahy voasambotra tatsy Afrika Atsimo

 

 niaraka tamin’ilay volamena 73,5kg ny 31 desambra 2020 lasa teo, dia I Zava Herimanana Anjaranantenaina, Mahamodo, ary i Francis Deliot Regasy.. Io no didim-pitsarana nivoaka tao amin’ity firenena ity omaly 15 martsa hariva, ka onitra 1 hetsy rands na 25 tapitrisa ariary avy no alohan’izy telo lahy voasambotra ireo. Fahafahana vonjimaika arahina fepetra maro io. Mitohy kosa ny famotorana lalina, ka hiverina hiakatra fitsarana izy 3 lahy ireo ny 21 mey 2021 ho avy izao. Ho an’ny eto Madagasikara, dia 13 amin’izao fotoana izao ireo olona efa nosamborina, ka ny 09 martsa teo no Rakondramanana Nestor na Tahola mpanakalo vola vahiny tsy ara-dalàna sy mpanao varo maizina, izay voalaza fa namatsy ara-bola an’i Ben Hassan isan’ireo 7 mbola karohin’ny mpitandro filaminana.

TSY MBOLA MISY VALINY NY FANGATAHAN’NY FANJAKANA

 Tsy nampoizina iny didy tao Afrika Atsimo omaly iny. Tsy mbola nisy valiny na didy kosa mikasika ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny fampodiana ny volamena sy ireo telolahy. Tamin'ny 06 janoary no nambara tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra fa nitory ny fitondram-panjakana Malagasy. Nampanantenaina, fa tsy maintsy atao amin’ny fomba rehetra ny hamerenana io volamena io ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Ny 07 janoary no nilazan’ny Minisitry ny Fitsarana fa hampodiana mialohan’ny 12 janoary hanaovana fitsarana any ireo telolahy nahatrarana ilay volamena satria Malagasy ireo, entana avy aty Madagasikara io, ka rariny raha aty no tsaraina. Roa volana taty aoriana, nivoaka ny orinasa Parpia Gold and Jewels Trading LLC milaza ho tompon’ny entana sy mpampiasa ireo telolahy, ka nametraka fitoriana ny hamotsorana ny volamena sy ny vola 200 000 dolara, saingy nolavin’ny Fitsarana ny 26 febroary. Tsy mbola fantatra izay hiafarany fa ny mampametra-panontaniana dia ny hoe: manana porofo mafonja ahafahana miady ny famerenana ireo volamenantsika ve ny mpitondra antsika? Nahoana no tsy voakitika mandrak’androany ny tompon’ny fiaramanidina ? Iza amin’ireo 13 nosamborina no trondro vaventy satria lazaina fa dondrona izay miteny fa tsy misy trondro vaventy mbola tsara aro any, ary mety ho any anaty Fanjakana?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT