Actualités

Trafikana volamena 2 kilao latsaka tratra tany Nosy Be


  • Zoma 22 Jolay 2022

Mitohy ny trafikana harem-pirenena. Volamena milanja 1,795 kg indray no tratran'ny mpiasan'ny fadintseranana tao amin'ny seranam-piaramanidina tao Nosy Be omaly 21 jolay 2022.

Teratany malagasy miisa 4 saika hiondrana any Dubaï no nahatratrarana ireo volamena ireo nandritry ny fisavana mahazatra, raha ny tatitra. Somary hafa kely indray ny fomba nanafenana izany satria nofonosina volafotsy sy vy ireo volamena ireo, ary natao tanaty entana hoenti-tanana. Rehefa natao ny fitiliana dia voamarina fa volamena ireto tratra ireo. Notazonina ireto Teratany malagasy ireto mandra-piandry ny fampanoavana. Tsy vao izao no nahatrarana trafikana volamena tao Nosy Be fa desambra 2020, ohatra, dia nisy ny fahatrarana 3,6kg natao tao anaty vatoaratra solosaina entin-tànana. Teratany karana no sarona tamin’izany. Ny tena zava-doza anefa, nisy fikasana hanao trafika sarona indray teny Ivato ny septamba 2021, ka efa ireo karana sarona tany Nosy Be ihany raha ny tatitry ny manam-pahefana tamin’izany. Ny 28 jona teo no nahatratrarana farany volamena 835g tao anaty fitombenana teratany sri lankais ho any Dubaï, raha toa ka 895g kosa no tratra ny 15 jona, ka teratany karana sy sinoa no tratra tamin’izany, izay tany anaty fitombenana ihany koa. Azo lazaina fa tena mbola mirarakopana ny trafika saingy miova ny endriny. Toa somary ahena sy entina tsikelikely mba hanamora ny fanafenana. Tombanana ho ampahany ihany itony tratra itony, fa tena betsaka no tafavoaka. Isan’ny olana eto ny hoe misy manam-pahefana ao anatin’ny raharaha, raha tsy hilaza fotsiny ny olom-boafidy depiote voatonontona. Very maina ny fanadihadiana parlemantera momba ny trafikana volamena. Ny olon-dratsy indray no hanao fanadihadiana, hoy ny fampahalalam-baovao iray momba ity tranga ity manoloana ny fisiana depiote voatonontonona.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT