Nalefa any Ambovombe ilay raharaha tafika sokatra miisa 643 nentina tamin’ny fiara 4x4 Nissan Patrol ka tratra nandritra ny fisavana nataon’ny zandary teo amin’ny sakana ao Andranovory – Toliara II, amin’ny lalam-pirenena faha-7 ny zoma 29 jolay teo.
Hatolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambovombe ireo efa-dahy tao anatin’ilay fiara nahitana ireo sokatra ireo. Nalefa any an-toerana ihany koa ilay fiara 4x4. Efa mahoraka moa fa dia mety ho paipaika fotsiny no hatao any Ambovombe, fa ana fianakavana mpitsara avy any atsimo ireo sokatra ireo, ary an’ilay mpitsara mihitsy ilay fiara. Ireo sokatra indray dia haverina any amin’ny toeram-ponenana niaingany, maty ny 11 tamin’izy ireo. Ny sasany indray misy marika natao tamin’ny loko menamena ny vatany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.