Trafikana olona

> Efa nomena harapaky ny alika no avotra


  • Sabotsy 12 Oktobra 2013

Tsy mety afaka ao an-tsain’ity tovolahy 30 taona monina ao Dépôt Analakininina Toamasina, ny nanjo azy herinandro lasa. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany dia nisy olona nitondra fiara tsy mataho-dalana naka azy an-keriny.

Noterena hiditra anaty fiara ity tovolahy ity, notampenana ny masony ary nentina nivezivezy eran’ny tanàna vao nentina niditra tamina “villa” mifefy avo be ary misy voanio maniry maromaro. Ny fahatongavany tao no ela dia voatsindrona fanafody nahafanina azy izy izay heveriny fa rongony. Nandritra ny telo andro nijanonany tao dia im-pito notsindronina ny tenany. Araka ny angom-baovao dia natao fitiliana ny rany nefa teo dia nahare ny tenany fa tsy tsara ny rany ka tokony homena alika mba tsy hisian’ny porofo. Tsy izy anefa no voakaitr’ireo alika be maromaro, fa ireo olona nitondra azy ka tapa-kevitra ireo fa hanary azy ivelan’i Toamasina. Tany Antaratasy, amin’ny lalam-pirenena faha-5 no nanariana azy tany anaty hantsana. Nanjavona nandritra ny efatra andro ity tovolahy ity. Raha nitaraina tamin’ny mpitandro ny filaminana ny fianakaviany dia nolazaina fa “any amin’ny sipany izy fa tsy very izany”. Niezaka nanavo-tena, nandeha an-tongotra ilay tovolahy, ka ny alatsinainy 07 oktobra teo izy no tonga tao an-tranony ao Dépôt Analakininina.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT