Actualités

Trafikana hazo tany Alaotra Nidoboka am-ponja ilay mpamilin-dRamatoa depiote


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Naiditra am-ponja vonjimaika ny mpamilin’ilay fiara saron’ny mpiasan’ny foibem-paritry ny tontolo iainana Alaotra Mangoro tao Vohitraivo Amparafaravola nitondra hazo voamboana 05 oktobra 2022 teo. Io fiara io izay voalaza fa an’ny depiote Lanto Rakotomanga, raha ny voarakitra ao anatin’ny taratasy fahazoan-dàlana niparitaka

navoakan’io depiote IRD io hamela ny fiarany sprinter phase 3 mitondra ny laharana 0542 TBP hitatitra hazo amin’ny fotoana tsy voafetra, ary tsy tokony hosakantsakanan’ny manampahefana sivily sy miaramila. Voalaza anefa fa notoriana ho nanao hosoka sy fampiasana hosoka na « faux et usage de faux » ka andrasana izay mety ho fandisoana na fanamarinana fa raha ny re dia ny voatonontonona ho tompon’ny entana no nitory. Hafahafa ny fandehan-draharaha raha izany, ary mety hafatratra sy hosoratana amin’ilay mpamily ny heloka. Lalàna avy aiza moa no ahafahana kestoran’ny Antenimieram-pirenena mamoaka fahazoan-dàlana hitatitra hazo amin’ny fotoana rehetra? Matoa aloha izany ny naiditra am-ponja ny mpamilin’ny fiara dia nisy ny fandikan-dalàna na ahiahina fandikan-dalàna. Toa manome sary hatrany an’ilay fomba fiasa amin’ny afera maloto goavana mahasaringotra olona ambony indray satria ny irakiraka, mpiasa tsotra miandrandra vary iray venty isam-bolana no natao “kaly” sy na “sorona” any am-ponja. Fa mba manao ahoana kosa ny tompon’ny entana ao anatin’io raharaha io? Raha ny loharanom-baovao, efa eny am-pelantanan’ny Bianco ity raharaha ity, ary efa misy ireo sokajin’olona samihafa nakan’izy ireo loharanom-baovao momba io afera io. Asa na ho lasa lavitra ny raharaha na ny pirina ihany no hilanja ny heloka any am-ponja? Raha halalinina sy jerena ny raharaha, azo sokajiana amin’ilay antsoina hoe: tratra ambodiomby na “flagrant délit” ka tsy misy resaka zo tsy azo henjehina na “immunité parlémentaire” izany. Ny fitsarana no mandidy sy manapaka fa raha halalinina amin’ny zava-misy dia vesatra maromaro no heverina fa tafiditra ao anatin’io: fandripahana ala, fanararaotam-pahefana sy fisandohan’andraikitra, trafikana hazo izay harem-pirenena,... Ny mpanao lalàna no lasa ohatra ratsy sy fitaratra vaky ho an’ny rehetra satria ny tokony ho fitaratra saingy tahaka izao hatrany ny sary sy afera vaky am-batolampy. Ny olona nitondra hoditra katrafay nenjehina sy nogadraina teto tamin’ny desambra 2021 fa ny mpanao aferana hazo milamina ?

FAHEFANA SY AFERAFERA
Milaza fa mila omena taom-piasana 4 ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ahafahany mampandroso ny firenena, saingy rehefa tarafina dia mety hoe: tokony homena fahefana hatrany mandritra ny fotoana ela I Andry Rajoelina ahafahanay miliba sy mangalatra ary manao afera faran’izay tratry ny herinay. Moana sy marenina, ary toa tsy misy fanapahan-kevitra raisin’I Andry Rajoelina eo anatrehan’ireny ka mampipetraka sy manamafy ny ahiahy, fa efa hifanaovana sy kopaka hisasahana hampitomboana ny ambaidahin’ny haren’ny mpitondra volomboasary ireny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT