Actualités

Trafikana hazo sarobidy Voamboana 96 sarona tao Malaimbandy


  • Talata 24 Novambra 2020

Fiara lehibe iray nitatitra hazo voamboana an-tsokosoko miisa 96 no tra-tehaky

 

 

ny zandary sy ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD-MENABE) tao Malaimbandy, Distrikan'i Mahabo ny 18 novambra 2020 lasa teo. Naverina tany Morondava avy hatrany ilay fiara ary nogiazana kosa ireo hazo sarobidy ireo. Sazy 2 volana an-tranomaizina miampy onitra 10 tapitrisa ariary no hefain'ireo olona efatra izay tompon'antoka amin'ity raharaha ity taorian'ny Fitsarana azy ireo izay ny 20 novambra lasa teo. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana mifantoka amin’ireo sehatra sy olona rehetra voakasika amin'ny raharaha fitrandrahana an-tsokosoko ireo hazo sarobidy tahaka izao. Ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana lovain-javy (MEDD) dia miantso hatrany ireo olom-pirenena hampandre ny tompon'andraikitra manoloana ny tranga fandikan-dalàna ara-tontolo iainana ho fiarovana ireo harem-pirenena, hoy ny fanentanana. Vao ny 16 novambra lasa teo no nisiana fahatrarana Bolabolan’Andramena 87 isa, voamboana 01 mirefy 2 m, ary hazo tsotra 03 mirefy 2 m tany Antanambao Ambohimandroso Distrikan’Amparafaravola, dia nahatrarana trafikana hazo sarobidy ihany koa izany tany Malaimbady andro vitsy taorian’io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT