Actualités

Trafikana “bois de rose” Olona ambony maromaro hadihadiana


  • Talata 08 Martsa 2011

Misokatra amin’ny tompon’andraiki-panjakana maromaro amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ny fivoahan’ny bolabola na “bois de rose” miisa 23 tao Mananara Avaratra.

Raha araka ny fantatra dia nisy kamiao iray tonga tao amin’ny toerana nisy hazo sarobidy. Nisy zandary iray tao anatin’io, nisy ihany koa zaodahin’ny mpitondra fanjakana iray, niaraka tamin’ny olona roa. Ilay zandary dia nanao ny fanaparam-pahefana mba hanomezana ireo hazo. Dia tafavoakan’ireo tao tokoa izany. Teny an-dalana anefa dia efa nandeha ny antso an-tariby, avy amin’ny mpiara-miasa amin’izy ireo ihany, ny mba hamerenana avy hatrany ireo hazo sarobidy ireo ka tsy hisian’ny fifampitoriana. Dia samy natahotra ny roa tonta ka tapaka ny hevitra ny amin’ny hamerenana ireo hazo amin’ny toerany.

Tsy nijanona teo ny raharaha satria ny tena tompon’ireo hazo tao an-tanàna indray no nametraka fitoriana manoloana ny zava-nitranga taminy. Dia nisokatra ny fanadihadiana ka efa mifandimby ampanantsoina ankehitriny ireo tompon’andraiki-panjakana ireo. Irariana ny mba handehanan’ny fanadihadiana amin’ny tokony ho izy satria na ny taratasin’ny fiara nampiasaina aza dia misoratra amin’ny olona ambony.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT