Actualités

Trafikana «bois de rose» «Olana ara-pitantanana», hoy ny Banky Iraisam-pirenena


  • Zoma 27 Mey 2011

Tato anatin’ny roa taona izao dia nirongatra tsy nisy toy izany ny fanondranana sy fitrandrahana tsy ara-dalŕna ny andramena na «bois de rose».

 Tsy eo amin’ny fikapana na fitrandrahana ny ala no olana, hoy i Adolfo Brizzi, solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena fa ny fitantanana mihitsy. Raha nezahin’ny FAT nailika mandrakariva moa hoe tsy avy aminy izao olana izao dia mazava ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Tsy vitan’ny governemanta ankehitriny ny mifehy io trafikana andramena io. “Tsy mandeha tsy misy mpahita akory ny andramena manomboka any amin’ny amin’ny fikapana azy ka hatrany amin’ny fivoahany any amin’ireo renirano”, hoy i Adolfo Brizzi. “1% monja amin’ny tombontsoa avy amin’ny andramena no mankany amin’ny kitapom-bolam-panjakana”, hoy izy fa ny zava-misy dia ireo mpitrandraka no miha manankarena. Soso-kevitra naroson’ity tompon’andraikitra ity àry ny tokony hampiharana ny lalàna mafimafy kokoa. Ankoatra izay dia nanolo-kevitra koa i Adolfo Brizzi ny amin’ny tokony hampitomboana ny famatsiam-bola fanampiny natokana ho an’ny fiarovana ny zava-boahary sy ny fikajiana ireo faritra arovana. Mifanindran-dalana amin’izay dia hodinihan’ny filankevi-pitantanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny mety hanampiana 50 tapitrisa dolara izany.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT