Actualités

Trafikana “bois de rose” Be ny hanararaotra ny fandalovan’ny rivodoza «bingiza»


  • Zoma 18 Febroary 2011

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Biginza tao amin’ny faritra Ambatosoa misy an’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra, dia maresaka indray ny hoe «hibiziana aza atao, ka mainka misy an’i Bingiza hanararaotana».

Toe-javatra roa no isehoan’ity bizina ity : eo ny zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN). Ny vaovao voaray avy ao Ambatosoa izao dia efa mahatratra 2.200 hatramin’ny 2.500 Ar ny kilaon’ny vary arakaraka ny karazany, raha 800 Ar ny kapoaka. Ao Mananara Avaratra no tena ahitana izany, mbola misy ambim-bary tamin’ny taona lasa kosa ao Maroantsetra, na izany efa misy Fokontany efa tafakatra 500 ariary ny kapoakam-bary (2.000 ariary ny kilao).

Ny fahasarotan’ny famatsiana ny faritra Ambatosoa noho ny lalana no anisan’ny hampirongatra ny fanararaotan’ireo mpanao bizina ireo. Ny seranam-piaramanidina koa efa ela no nikatona, ny sambo kosa na mahazaka entana betsaka aza mitatao hatrany ny loza noho ny fisamboaravoaran’ny ranomasina vokatr’iny rivodoza iny. Endrika bizina manaraka dia ny fitrandrahana ny bolabola na andramena na «bois de rose». Mandeha manapaka ny vatan-kazo any an’ala aza ataon’ireo mpibizina ireo, mainka misy iny bingiza iny, hanilihana azy fa hazo tapaky ny rivodoza no amidin’izy ireo sy hanaovany bizina manomboka izao.

Tsaroana rahateo fa ny nanomezana alalana ireo mpandraharaha hanondrana sy haka ireo hazo lavon’ny rivodoza nahazo ny faritra SAVA, ka tamin’izay no nanararaotan’ireo mpibizina nanondranana hazo an-taoniny any ampitan-dranomasina izao. Io tranga tao SAVA io no hiverina any Ambatosoa manomboka izao ka hararaotina hamoahana ireo tahirin-kazo «bois de rose» nafenina any ho any, ary mety hivoaka hatramin’ireo nambara fa «nogiazana» koa aza.

 Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT