Actualités

Trafikana andramena Lasa lavitra ny fanadihadiana


  • Alarobia 30 Mey 2012

Raha efa somary nangingina teo aloha teo ny raharaha boaderozy dia manomboka mahoraka indray amin'izao fotoana.

 Ny anton'izany dia noho ny hetsika nataon'ny mpitondra Maorisiana izay niantso ny Banky Iraisam-pirenena mba hanao fanadihadiana manokana mihitsy mba hahafantarana ny olona ao ambadik'ireo boaderozy tratra tany Maorisy, roa taona lasa izay. Araka ny vaovao navoakan’ny gazety Le Mauricien dia vonona ny handray andraikitra ny Banky Iraisam-pirenena ka hanadihady ny tena marina amin'ity raharaha ity. Mazava be mantsy fa mamofompofona kolikoly avo lenta ny trafikana boaderozy, ka tsy te haloto miaraka amin'ny mpitondra na ny mpandraharaha Malagasy ny Maorisiana na sanatria ho voaheloka fa mpiray tsikombakomba amin'izy ireo. Raha voaporofo mantsy fa misy mpitondra na mpanao politika na mpandraharaha akaikin'ny fitondrana ao anatin'ity raharaha boaderozy ity, dia mety hampiato na hanapaka ny fiaraha-miasany amin'ilay firenena mihitsy ireo fikambanana maro samihafa avy any ivelany, ka anisan'izany ny Banky Iraisam-pirenena, dia ho tapaka ny famatsiam-bola an-jatony tapitrisa dolara.

Ny manampahefana sy ny mpanao politika ary ny mpandraharaha sasany eto Madagasikara moa dia misy voatonontonona amin'ny raharaha boaderozy. Samy milaza ho tsy manao izany anefa izy ireo. Mazava ny resaka fa tsy maintsy olona matanjakana ara-bola sy ara-pahefana vao mahavita azy io, koa dia ho hita eo ny mety ho vokatr'ity fanadihadiana manokana ataon'ny Banky Iraisam-pirenena ity. Efa misimisy ihany ireo mpitondra na olona ambony, tany amina firenena maro samihafa nigadra na voatery niala teo amin'ny fitondrana noho ny resaka kolikoly na fanangonan-karena tsy mazava sy haingana loatra.Ka dia ho hita eo ny eto amintsika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT