Actualités

Trafikana andramena Aiza ireo anarana ?


  • Alarobia 10 Aogositra 2011

Efa an-taonany izao no nandripahan’ireo fahavalom-pirenena ireo hazo sarobidy eto amintsika

 Hatreto anefa dia tsy fantatra ireo tena atidoha amin’ity trafika ity. Raha ny fantatra dia olona 40 eo ho eo no any am-ponja. Ny mpanatanteraka ireo fa ny atidoha mbola tsy misy fantatra. Raha ny fanadihadiana dia tambajotra 5 no misahana ny asa toy ny fanapahana, ny fitaterana ary ny fanondranana. An-tapitrisany euros koa no tombontsoa azon’ny FAT amin’ity andramena ity. Tompon’andraikitra ambony amin’izao fanjakana izao no voalaza fa lohandohan’ny mpisorona amin’ireo tambajotra 2 fa ny 3 ambiny kosa hifampizaran’ireo mpandraharaha ara-toekarena malagasy sy teratany vahiny. Raha ny vaovao dia manao karazana mpanelanelana ireo tompon’andraikitra politika ka euro iray isaky ny kilao no azon’izy ireo.

Kaontenera an’arivony maro izao no efa tafavoaka. Ny kaontenera iray anefa dia ahitana andramena milanja iray hetsy kilao amin’ny ankapobeny. Ny filohan’ny FAT moa efa namoaka tarehimarika nilaza fa 40 miliara ariary ny vola nampidirin’ny andramena tamin’ny kitapom-bolam-panjakana. Nilaza koa izy fa tsy handefitra mihitsy manoloana ny halatra sy ny fanondranana tsy ara-dalàna. Hatramin’izao anefa tsy hita izay tena fizotry ny fanadihadiana. Raha oharina tamin’ny aferana baomba na koa ny fanenjehana ny filoha teo aloha sy ireo mpiara-miasa aminy ohatra, ny harivan’ny fipoahana ihany dia hita sy fantatra ireo “tompon’antoka”. Tamin’ity anefa, harem-pirenena no volosana, tsy mbola hita izay mangirana. Ny Bianco, ohatra, dia nilaza fa mifaningotra avokoa ireo raharahana andramena. Sarotra sy lava ny fanadihadiana, ka ahiana ho very an-javony aza.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT