Trafika zavamahadomelina

> Rongony 6 kilao tratra nozairina tany anaty akanjo


  • Zoma 21 Febroary 2014

Nahatratra rongony nilanja tokony ho 6 kilao ny polisim-pirenena tamin'iny lalam-pirenena faha-7 iny nandritra ny fisavana teo Tombontsoa Andranomanelatra.

Fiara mpitatitra avy any atsimo hiakatra aty an-drenivohitra no nahatrarana izany. Toy ny fanao dia misava izay fiara rehetra mandalo izy ireo ka mpandeha iray no hita fa mailomailo raha vao nahita ireo polisy. Naidina avy hatrany ranamana ka hita fa toa hafahafa ny fiakanjony izay toa feno zaitra maromaro izany. Notsapaina ka nisy zavatra toa mibontsimbontsina maromaro. Rehefa notatahana izany dia akory ny hagagana fa rongony marobe no tao anatiny izay nilaja ho 2 kilao teo ho eo. Ankoatra izay dia nosavaina ny sakaosy kely nentiny ka mbola nahitana nanodidina ny 4 kilao ihany koa. Nandaniana andro manokana mihitsy moa ny fanafenana ireo rongony ireo raha ny fahitana azy satria ireny "gilet" ireny ity akanjo feno zaitra ity. Natolotra ny fitsarana tao Antsirabe omaly alakamisy ilay rangahy izay voalaza fa avy any Ihosy ny fiaviany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT