Actualités

Trafika tany Kaomoro Ny olona tafody, fa ny volamena tavela


  • Zoma 14 Janoary 2022

Tonga omaly tamin’ny 8ora sy sasany maraina teto an-tanindrazana niaraka tamin’ireo iraka ara-panjakana nankany Kaomoro ireo roalahy isan’ny voasambotra tamin’ny fahatrarana volamena 49 kg tany amin’ny Nosy Kaomoro ny 28 desambra 2021 lasa teo.

 Nisy ny fifampiraharahana teo amin’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisitry ny fitsarana Atoa Imbiki Herilaza sy ny Fanjakana Kaomorianina tamin’ny alalan’ny Minisitry ny raharaham-bahininy Dhoihir Dhulkamal, ka nahafahana nampody ireo roalahy. Ny alarobia teo no nisy ny fifandresen-dahatra tamin’ny manam-pahefana Kaomorianina, ka nandritra io no no nilazan’ny Minisitry ny Fitsarana Malagasy, fa ny fampiharana ny fifarahana ara-pitsarana, ny fifandraisana ara-pirahalahiana sy finamanana eo amin’i Madagasikara no nahafahana niady hevitra momba ity dosie trafikam-bolamena ity, ka nahafahana nanao ny « extradition » na fampodiana hotsaraina eto. Voalaza fa efa namoahan’ny manam-pahefana Malagasy didy fampisamborana ireto roalahy ireto. Notanana eny amin’ny zandarimaria eny Fiadanana izy ireo, ary nanomboka avy hatrany ny fanadihadiana.Efa nambaran’ny Fitsarana Kaomorianina moa fa nikasa hiazo an’i Dubaï hitondra ny volamena 49 kg tamin’ny alalan’ny fiaramanidina manokana na « jet privé » izy ireto. Efa nilaza moa ny Tonia mpampanoa lalàna any Kaomoro fa tena misy ny tambazotrana mpanao trafika Madagasikara-Kaomoro-Dubaï, ary nahatratra 11 ny trafika nisy teo anelanelan’ny septambra-desambra 2021 fotsiny. Am-polony no efa nosamborin’izy ieo. Ireo roalahy aloha izany no tafody eto Madagasikara hotsaraina eto, raha toa ka mbola tavela any Kaomoro kosa ny volamena, izay nambara fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny tena fihaviany. Mbola hiadian-kevitra ve hatramin’izao ny hoe : avy aiza marina ireo 49 kg kanefa misy Malagasy tratra ? Ny Kaomorianina milaza fa misy ny tambazotra sy trafika «Madagasikara-Kaomoro-Dubaï »,… Heverina fa tsy omen’ny Kaomorianina tahaka ny ataon’ny Afrikanina Tatsimo ny volamenantsika, ka ireo voasambotra aloha izany no tafody fa ny volamena mijanona any ivelany sy mijanona ho fananany. Hampipoitra ny marina rehetra toy ny tena tompon’ny entana ve ny fampodiana ireo 2 lahy sa ny irakiraka hatrany no hizaka ny vokany ? Ahiana hatrany ny fisiana olona ambony tafiditra amin’ny raharaha ka mahatonga ny olom-pirenena sasany maneho fa aleo ny Fitsarana vahiny no handray an-tànana ny raharaha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT