Actualités

Trafika “palissandre” Misy mpikamban’ny Kongresy indray koa


  • Alarobia 27 Jolay 2011

Raha mbola ifampitadiavana sy ifanjevoana hatramin’izao ny resaka andramena na “bois de rose”, tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ny fitrandrahan’ny sasany ny hazo voamboana na “palissandre”.

 Fantatra tamin’ny resaka nifanaovana tamin’ny tomponandraikitry ny ala sy ny tontolo iainana ao amin’ny faritra Anôsy, fa niato avokoa ireo fahazoan-dalana ahafahana mitrandraka ny voamboana. Mangalatra ary mandika lalàna, hoy izy, ireo olona na andian’olona mbola manao ny fitrandrahana. Na antoandro anefa na alina ary mila ho isan’andro dia maro ireo olona mitondra ity hazo voarara ity mivezivezy eran’ny tanànan’i Tolagnaro. Tsy olon-tsotra ihany no manao ity asa ity fa hatramina Ben’ny tanàna sy mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ary amina kamiao no itaterana azy. Araka ny fantatra dia any amin’ny Kaominina Ampasy Nahampoana sy ny manodidina no fakan’ireo mpanao bizina ity karazan-kazo ity. Raha izao anefa no mitohy dia ahiana ho lany tamingana koa ny voamboana ao.

 

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT