Actualités

Trafika eny Ivato Zandary iray tratra ambodiomby


  • Alarobia 04 Mey 2016

Miha mazava ihany ankehitriny ny paikady ampiasain’ireo mpanao trafika sy mpanondrana entana an-tsokosoko « par silence » eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato.

 

 Tranga hafa kely no niseho omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Rehefa vita ny fisavana sy ny fitsirihana ny mpandeha rehetra handray ny zotra Airlink SA 8253 mankany Afrika Atsimo dia niditra ny Tarmac hamonjy ny fiaramanidina ireo mpandeha. Teo no nanatona sy niresaka mangingina tamina mpandeha iray ny zandary iray. Tsy fantatra mazava izay votoatin-dresaka fa ny hita sy azo sary dia ilay zandary mampiditra zavatra tsy goavana fa somary kelikely ihany, azo heverina hoe bolongam-bolamena tao anatin’ny entan’io mpandeha io. Raha ny fandinihana azy dia efa tany amin’io zandary io ilay entana ary natolony fotsiny ilay rangahy mpandeha avy eo. Ity farany moa tonga dia niditra any anaty fiaramanidina ka lasa. Marihana fa afaka mivezivezy mivoaka miditra ao anatin’ny seranam-piaramanidina ny zandary miasa eny ary tsy voasava. Mazava izany eto fa misy ny firaisana tsikombakomba ao amin’ny seranam-piaramanidina ao Ivato ao, ka mety ireo mpitandro filaminana tokony hanao ny fisavana mihitsy no mandray anjara amin’ny trafika sy ny famoahana entana an-tsokosoko. Tsy ho tratra mihitsy izany ireo olona mpitondra entana satria efa afaka ny fisavana sy ny scanner ny entan’izy ireo vao ampidirina ilay entana vaovao hanaovana bizna. Ity tranga iray omaly ity aloha no hita fa efa tsy fantatra intsony izay niseho tany aloha rehetra tany. Raha ny resaka mandeha dia volamena no tena mivoaka matetika eny Ivato eny. Asa na handray fepetra amin’izao tranga izao ny tompon’andraikitra sy ireo manampahefana na hanao mody adala fotsiny indray.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT