Ireo havanay any amin’iny Faritra SAVA iny no miasa amin’ny resaka “bois de rose” ankehitriny, hoy ny CT Beanjara Paul avy any Vohémar.
Taloha izy io, hoy izy, dia tsy nisy niraharaha firy satria nifototra tamin’ny fikarakarana lavanila ny olona tany. Nitoba betsaka anefa ny entana ka tsy nisy mpaka sy mpividy ity vokatra lavanila ity ka roboka tamin’ny fikapana “bois de rose” avokoa ny rehetra rehefa naheno fa misy kaomandy be dia be ary volabe no miasa amin’izy io satria ny bolabola iray dia mety ahazona 6 alina ariary. 220 no mahafeno kaontenera iray, raha kaontenera 25 izany dia mila bolabola 2000 ka sitrany ahay vola maimaika hasolo ny lavanila. Ny vahaolana voalohany amin’ity resaka ity, hoy izy, dia ny fanatonan’ny fanjakana ny mpitana ireo vokatra nokapaina ka angalana ny haba tena mifanandrify amin’izay misy. Raha apetraka amin’ny hoe “tsy ara-dalàna” ireo hazo rehetra nokapaina ireo”, hoy ity CT ity, “dia tsy ara-dalàna koa ny nataon’ny fanjakana satria avy amin’izy ireo ny fahazoan-dalana hanao ity fandrarahana ity”. Ny vahaolana faharoa nomeny kosa dia ny fanamboarana ny lalana
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.