Actualités

Trafika «bois de rose» MD ny 21, Zandary ny 8


  • Alarobia 20 Jolay 2011


 Niakatra fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha ireo 23 voampanga tao anatin’ilay raharaha “bois de rose” sarona tatsy amin’ny nosy Maorisy farany teo. Ny 21 tamin’ireo no fantatra fa voatana am-ponja vonjimaika, miandry fitsarana. Zandary ny 8 amin’izy ireo, misy koa mpiasan’ny ladoany sy olon-tsotra. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa hafa. I Patrick Mounibou, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita moa nilaza fa “tsy misy ambonin'ny lalàna eto Madagasikara, noho izany tokony hosamborina daholo ireo tononina fa misy tompon'andraikitra ambony tafiditra amin'ny aferana «bois de rose»". Ho hita eo ny tohin’izany rehetra izany, fa ny zava-misy aloha dia mafanafana any SAVA any amin’izao fotoana izao, noho ity raharaha ity.

 

Nangonin’i Jean D sy Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT