Niteraka ady an-trano eo amin’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ny raharaha «bois de rose» izay araka ny nitateran’ny gazety iray mpivoaka isan’andro teto an-drenivohitra azy, fa mahavoarohirohy an’i Saina Michel.
Fiaran’ity lehiben’ny faritra ity teo aloha mantsy no tratran’ireo zandary nitondra ireo “bois de rose” miisa 23 tany Mananara Avaratra ny 28 febroary lasa teo. Nanambara ho tsy manana fifandraisana na koa voasaringotra amin’ny resaka “bois de rose” mihitsy anefa i Saina Michel raha nanontanian’ny Gazety Tia Tanindrazana ary nilaza fa efa namidiny tamin’olon-kafa io fiara io. Araka ny fantatra dia nailiny any amin’ny Talen’ny fandrindrana ny lafintany na DAGT-n’ny faritra Analanjirofo, Ranaivoarison Adolphe izay namita iraka tany Mananara Avaratra tamin’ny andro nahasaronana ireo andramena ireo ny rihitra. Tonga hatrany amin’ny fampiatoana azy tamin’ny asany ihany koa aza izany ankehitriny.
Raha nanontaniana moa i Saina Michel dia nilaza fa didim-panjakana raisina amin’ny filankevitry ny ministra no afaka manao izany, fa tsy ny tenany. Tsy manaiky lembenana manoloana ny antsojay atao aminy anefa ingahy DAGT. Nohamafisiny fa tena fiaran’ny lehiben’ny faritra teo aloha tokoa no nitondra ireo “bois de rose” ireo. Nidina teny amin’ny barazy nahatrarana ireo hazo sarobidy ireo mihitsy aza ny tenany rehefa niantso vonjy taminy ilay mpamily. Voatery nanao raharaham-pihavanana tamin’ny lehiben’ny borigadin’ny zandary ao Mananara Avaratra mba hamelana ilay fiara handeha ihany koa ingahy DAGT raha ny fanazavany mba tsy hanala-baraka ny lehiben’ny Faritra raha tratra maraina ny raharaha. «Nanao izany fihetsika izany aho mba hiarovana an’i Saina Michel satria zaodahiny ihany ilay mpamily sarona io. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadiana dia io «intervention» nataoko io navadika fa izaho no mpaniraka ireo mpanao afera. Manelingelina ny tombotsoan’ny olo-maventy sy ny fianakaviana angamba ny fisiako dia izaho no amaharan’ny rihatra», hoy Ranaivoarison Adolphe.
Nandetika an’i Saina Michel koa anefa i Bruno Pascal sady tomponandraikitry ny serasera no mpanolotsain’ny lehiben’ny faritra ihany raha nanamafy ny tenany fa maro amin’ireo fianakavian’ny lehiben’ny faritra no manao aferana “bois de rose”. Tsara moa ny manamarika fa navotsotra ilay mpamily ilay fiara taorian’ny fakana ambavany azy raha tsy nipoitra kosa ny tompon’ny magazay vaky nakana ireo hazo ireo ary nitsoaka kosa ilay saika hividy. Momba ny fampiatoana ny DAGT amin’ny asany kosa dia notsipihany fa didim-panjakana raisin’ny filankevitry ny ministra ihany no afaka manaisotra azy amin’ny toerany ka mbola hanohy ny asany ara-dalàna izy mandra-pahazony io didy io. Mbola ho henjana, araka izany, ny toe-draharaha.
Sary : Ranaivoarison Adolphe, DAGT sy Bruno Pascal (havia amin’ny sary)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.