Trafika andramena

> Misy tanam-panjakana manamora ny fanondranana


  • Talata 17 Septambra 2013

Tsy voafehy mihitsy ny trafikana andramena any Mananara Avaratra sy ireo Kaominina manodidina azy.

Gaboraraka tanteraka izany any an-toerana izay eo ambany mason’ireo mpitandro ny filaminana. Misy “tanam-panjakana” mpanamora ny fanondranana eo no ho eo ireo andramena amin’ireo sambo izay efa miandry eny afovoan-dranomasina. Tamin’ny fandalovan’ny mpanao gazety tany an-toerana aza, izay heverin’ny tao an-toerana angamba fa vahiny mitady andramena haondrana, ka dia efa nisy ireo mpijirika manatona manao tolotra. Fantatra noho izany fa manodidina ny 24.000 – 30.000 Ariary ny kilaon’ny andramena. Misy fitaovana fandanjana ampiasaina ho amin’izany mihitsy. Tao Lohatrozoma izay tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny Kaominina Tanambe, dia nahita andramena eo an-dalam-panondranana sy miandry ny mpividy azy mitondra ny marika “RM” ny mpanao gazety ny alahady 15 septambra teo. Bolabola niisa 60 teo izy ireo ary heverina fa milanja 15 taonina ny lanjany araka ny tombantomban’ny mponina izay efa zatra ny raharaha. Nitsoaka kosa ireo olona telo nisahana ny fiambenana nahitana vehivavy iray sy lehilahy roa. Nambaran’ireo mponina manodidina fa tena toeram-panondranana andramena ao Lohatrozoma, ka ao amin’ny alaben’ny Kaominin’i Tanambe no hakan’izy ireo izany. Ny vaovao fantatra izao, dia tonga nijery ny zava-nisy Atoa Victor Wong, zanak’i Mananara Avaratra sady mpanolotsaina manokan’ny Praiminisitra Beriziky izay manara-maso (?) ny trafika andramena amin’ny lalam-pirenena faha-05 Soanierana Ivongo – Maroantsetra.

Rakoutou (Iraka manokana)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT