Nodimandry ilay tovovavy vao 18 taona monja antsoina hoe Elisah, izay nilatsahan' ny solaitrabe vita tamin’ny simenitra ny marainan'ny alatsinainy 13 septambra lasa teo tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana.
Mpianatra taona voalohany tao amin’ny sampana DEGSP Oniversiten'Antsiranana izy, ary zanaky ny Ben'ny tanànan'i Betanatanana distrikan'i Maintirano. Natory tao amin’ny "salle d'étude" misy ireo mpianatra vao tonga, hanohy fianarana any Antsiranana izy sy ny namany roa ny andro nisehoan'ny loza. Nirotsaka anefa ilay solaitrabe vita tamin’ny simenitra teo ambonin'izy ireo ka nilatsaka tamin’ireto ankizy natory izay tsy nanam-po na inona na inona. Telo mianadahy izy ireo no nihotsahan'ilay solaitrabe izay naratra avokoa. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly manara-penitra, ireto farany saingy i Elisah no tena voa mafy ka voatery nalefa haingana notsaboina taty Antananarivo tao amin’ny CHU-JRA Ampefiloha. Noho ny ratra nahazo sy ny fahavoazana nahazo azy anefa, dia tsy tana ny ain’ilay tovovavy, raha toa ka efa nihatsara kosa izy roalahy. Betsaka ny fitarainana avy any Antsiranana momba ny tsy fahatomombanana ara-poto-drafitrasa handraisana ireo tanora avy lavitra hanovo fianarana any. Zary lasa mipenompenona mitady izay hiantsampazana, ary azo sokajiana ho noho izany no olana izany no nahalasibatra ireto mpianatra ireto izay namoizana ain’olona mihitsy ka mila jerena sy hitondrana vahaolanamafonja. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny namoy ny ainy manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana eo anatrehan’ity toe-javatra mampalahelo ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.