Rehefa nofotorana lalina ity voatavo tsy mifandraka dia nivaky ihany ary nitantara ny zava-nanjo azy, ka vaky ambatolampy ny nafenina. Karohina kosa hatramin’izao ilay nahavanon-doza nitsoaka.
Ankizivavy vao 13 taona monja naolan’ny dadatoany no simba tanteraka taorian’ny herisetra ara-nofo mamohehatra nihatra taminy, ny alin’ny zoma lasa teo, tany Sakaraha. Tsy tao an-trano ny ray aman-drenin’ilay zaza voaolana tamin’io andro io fa namonjy fahoriana tany ambanivohitra, ka izy no niandry trano sy niambina ireo ankizy telo, anisan’izany ity tovovavy tsy ampy taona voaolana. Niara-natory nanao ladina an-tany izy efa-mianaka ny alina io. Raha araka ny loharanom-baovao dia rehefa tafandry avokoa ireo ankizy ny alina io, dia nijokojoko nanatona an’ilay zanak’anabaviny ilay lehilahy. Notampenany avy hatrany ny vavan’ilay zaza ka tsy afa-niantso vonjy ary nanamparany ny filan-dratsiny avy eo. Norahonany ihany koa ilay zaza tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zava-nihatra taminy. Gaga ny ray aman-drenin’ilay zaza rehefa tonga tao an-trano ny alahady maraina teo nahita an-janany nitomany foana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.