Tovolahy iray tokony ho 18 taona eo no hita faty tao an-tranony ao Beravina avaratra, Parc Fianarantsoa. Efatra andro niasana tao amin’ny toerana fanaovana karaoke iray izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Izy efa nihohoka tamin’ny tany no hitan’ny mpampiasa azy, omaly tamin’ny 9 ora sy sasany maraina, ka nandraisana andraikitra avy hatrany. Nentina eny amin’ny trano fiandrasam-paty eny amin’ny hopitaly Tambohobe ny razana rehefa avy nojeren’ny mpitsabo izay nanadihady ny anton’ny nahafatesany. Raha ny tombana nataon’ny dokotera dia ny aretina androbe no namoizany aina. Irery izy tao amin’ny efitrano natoriany ka tsy nisy famonjena azo natao taminy intsony raha nianjera tamin’ny tany ny vatany tamin’ny nahitana azy omaly maraina. Tsy fantatra ny havany ary tsy nisy kara-panondro ihany koa tany aminy ka manao antso avo ny Fokontanin’i Talatamaty sao misy mahalala azy. Evariste no fiantsoana azy. Mpanao asa an-tselika ny tenany. Raha ny fitantarany fahavelona dia niasa nandritra ny efa-bolana taty Antananarivo izy fa any Ambatofotsy, Distrikan’Ikongo no fiaviany. “Ajanona ao amin’ny Tranompatin’ny hopitaly” hoy ny mpampiasa azy ny razana mandrampiandry ny havany. Aorian’izay dia haka fepetra izy ireo ny amin’ny fanatanterahana ny fandevenana amin’ny tany izay omen’ny Kaominina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.