Tovolahy mamon-drongony

> Maty voatifitra raha saika hamono an-dreniny


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Tovolahy 28 taona voalaza ho mamon-drongony rehefa avy saika hamono an-dreniny tamin’ny antsy no maty voatifitry ny zandary ny antoandron’ny alarobia lasa teo tany amin’ny Kaominina Anosiarivo, Distrikan’i Manakara.

Adiny iray nialoha io, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nangataka vola arivo Ariary tamin-dreniny ity tovolahy mahery setra ity. Fantatr’ilay nahitany masoandro anefa ny toetrany rehefa isaky ny mamo fa migafy sy mila sotasota ary ady amin’ny manodidina ka tsy nomeny. Tezitra ary ilay bandy ka naka antsy ary nanatsatoka izany teo an-dohan-dreniny. Nijininika ny ra ary nandositra sy niantso vonjy ilay ramatoa. Ny manodidina no nanaitra ny mpitandro filaminana.

Raikitra ny fifanenjehana satria nandositra ilay nahavanon-doza. Nampitandrina azy tamin’ny tifi-danitra ny zandary nefa ilay tovolahy tamin’io tena romotra tsy azo nifampiresahana ka ny antsy teny an-tanany no narangaragany. Voatery nitifitra sy niaro tena ny mpitandro filaminana, ka niatefa teny amin’ny kibon’ity tovolahy ity ny bala ary nitarika ny fahafatesany, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

 

E.R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT