Amin’ny maha taonan’ny asa ny taona 2021 dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny asa no hanatanterahana ny fampandrosoana eto Tanjombato,
hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Tovo Rakotojohary. Na eo aza ny fihanak’ity valanaretina ity dia mila sahanina miaraka ny zava-misy, hoy izy. Eo koa ny tsy fandriampahalemana fa tsy hoe mandry ny tany vao hanao fampandrosoana isika. Mila jerena amin’ny alalan’ny fanaovana foto-drafitrasa ho an’ny tombotsoan’ny rehetra ny vahoaka. Nametraka toeram-pidiovana na “lavoir” izahay. Teo koa ny famelomana araka ny tokony ho izy ireo toeram-pivoahana sy fidiovana iombonana na WC sy “douche publique” tsy nandeha teo aloha. Tsy voatery manao fotodrafitrasa vaovao fa manamboatra ny efa nisy teo aloha dia mijery ifotony ny zavatra tena mampikaikaika ny olona. Eo ny fanamboarana ny lalana sy ny fandiovana ireo tatatra, ohatra. Eo koa ny famporisihina ny mponina hiditra anatin’ny fihariana ara-dalana na “secteur formel”, ho an’ireo izay mbola tsy anatin’izany moa izany, ahafahan’ny kaominina manana maridrefy eo amin’ny toekaren’ny kaominina mba hiditra amin’ny ara-dalàna izany. Isan’ny fijerena mivantana ny vahoaka natao ny fitazomana ny vidin-drano ho 30 ariary amin’ireo paompin-drano miisa 31, izay marihina fa tantanan’ny kaominina mivantana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.